Hijery ny anatiny

Misy Fanahy Tsy Mety Maty ve ao Anatin’ny Olona?

Misy Fanahy Tsy Mety Maty ve ao Anatin’ny Olona?

Valiny ara-baiboly

 Adikan’ny Baiboly sasany hoe “fanahy” ilay teny hebreo hoe nefesh sy ilay teny grika hoe psykè. Midika ara-bakiteny hoe “zavaboary miaina” na “zavamananaina” ilay hoe nefesh ary “zavaboary velona” ilay hoe psykè. a Ilay zavaboary manontolo mihitsy àry no fanahy fa tsy zavatra ao anatiny izay mbola velona na dia efa maty aza ny vatany. Diniho hoe ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa ilay olona manontolo no fanahy.

Tsy hoe nomena fanahy akory i Adama, fa “lasa fanahy velona”

  •   Rehefa namorona an’i Adama, lehilahy voalohany, i Jehovah Andriamanitra, dia milaza ny Baiboly fa “lasa fanahy velona ny olona.” (Genesisy 2:7, Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques) Tsy hoe nomena fanahy akory i Adama, fa lasa fanahy velona na olombelona.

  •   Milaza ny Baiboly fa mety noana sy mangetaheta ny fanahy, afaka misakafo, mety reraka, na kivy, na matahotra, ary mahazo famelombelomana avy amin’ny rano mangatsiaka. (Deoteronomia 12:20, Fandikan-teny Protestanta; Salamo 107:9 sy Ohabolana 15:13, Fandikan-teny Katolika; Ohabolana 17:22 sy 25:25 ary Ezekiela 21:12, Prot.) Olona velona no afaka manao an’ireo.

Mety maty ve ilay nefesh na psykè?

 Eny. Maro ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly milaza fa mety maty ny nefesh na psykè. Ireto misy ohatra:

  •   “Ny fanahy (nefesh) izay manota no ho faty.”—Ezekiela 18:4, 20, Prot.

  •   ‘Namono ny fanahy (nefesh) tsy tokony ho faty’ ny mpaminany sandoka fahiny.—Ezekiela 13:19, Kat.

  •   Nadika hoe “olona maty” na “faty” ny hoe nefesh maty ao amin’ny Baiboly maro.—Levitikosy 21:11; Nomery 6:6.

Midika koa hoe “aina” ny nefesh na psykè

 Mampiasa ny teny hoe “aina” koa ny Baiboly mba hilazana ny hoe nefesh na psykè. Izany, ohatra, no hita ao amin’ny Joba 33:22. Ampitoviny amin’ny “aina” ilay teny hebreo hoe nefesh. Asehon’ny Baiboly fa azo atao ny manao vivery ny aina (nefesh na psykè), ary mety hafoy koa izy io.—Eksodosy 4:19; Mpitsara 9:17; Filipianina 2:30.

 Ilay teny hoe nefesh na psykè koa no ampiasaina ao amin’ilay fomba fiteny hoe “miala aina”, toy izay hita ao amin’ny Genesisy 35:18.

Ahoana no niandohan’ilay fampianarana hoe misy fanahy tsy mety maty ao amin’ny olona?

 Ampianarin’ny antokom-pivavahana kristianina fa manana fanahy ny olona ary tsy mety maty io fanahy io. Tsy avy ao amin’ny Baiboly anefa no nakany an’izany fampianarana izany fa avy amin’ny filozofia grika fahiny. Milaza ny Encyclopædia Britannica hoe rehefa miresaka fanahy (nefesh na psykè) ny Baiboly, dia ampifandraisiny amin’ny fofonaina ilay izy ary tsy avahany hoe hafa ny fanahy ary hafa ny vatana. Ny Grika fahiny kosa no nahatonga ny Kristianina hino hoe hafa ny vatana ary hafa ny fanahy.

 Tsy eken’Andriamanitra mihitsy raha afangaro ny fampianarany sy ny filozofian’olombelona. Anisan’ny filozofian’olombelona, ohatra, ny finoana ny fanahy tsy mety maty. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona.”—Kolosianina 2:8.

a Jereo ny New Brown, Driver, and Briggs Hebrew and English Lexicon of the Old Testament, pejy 659, sy ny Lexicon in Veteris Testamenti Libros, pejy 627. Miovaova arakaraka ny teny manodidina ny andikan’ny Baiboly maro ny hoe nefesh sy psykè. Mampiasa ny hoe “fanahy”, “fiainana”, “olona”, “biby”, “zavaboary”, ary “vatana”, ohatra, izy ireo.