Hijery ny anatiny

Misy An’izany hoe “Fahotana Mahafaty Fito” Izany Ve?

Misy An’izany hoe “Fahotana Mahafaty Fito” Izany Ve?

Valiny ara-baiboly

 Tsy mitanisa “fahotana mahafaty fito” ny Baiboly. Milaza kosa anefa izy io fa tsy ho voavonjy izay zatra manao fahotana lehibe. Anisan’ny fahotana lehibe resahiny, ohatra, ny fijangajangana, fanompoan-tsampy, filalaovana ody, fipoahan’ny fahatezerana, ary fibobohan-toaka, izay samy “asan’ny nofo.” Hoy izy avy eo: “Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.”—Galatianina 5:19-21. a

Angaha moa ny Baiboly tsy miresaka ‘zavatra fito halan’i Jehovah’?

 Eny, miresaka an’izany izy. Izao no voalazan’ny Ohabolana 6:16, araka ny Fandikan-teny Protestanta: “Izao enina izao no halan’​i Jehovah,—eny, fito no ataony ho fahavetavetana.” Mitanisa fahotana maromaro avy eo ny Ohabolana 6:17-19. Tsy mitanisa ny fahotana rehetra akory ireo andininy ireo, fa milaza fotsiny ny eritreri-dratsy na zavatra tenenina na zavatra atao izay mety hitarika ny olona hanao zava-dratsy lehibe kokoa. b

Inona no dikan’ny hoe “fahotana mahafaty”?

 Miresaka “ota mahafaty” ny 1 Jaona 5:16. Misy Baiboly mandika azy io hoe “fahotana ho amin’ny fahafatesana” (Fandikan-teny Katolika). Inona no maha samy hafa ny “ota mahafaty” sy ny “ota tsy mahafaty”?—1 Jaona 5:16.

 Resahin’ny Baiboly mazava tsara fa mitarika ho amin’ny fahafatesana ny fahotana rehetra. Afaka ny ho voavonjy amin’ny ota sy ny fahafatesana anefa isika noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Romanina 5:12; 6:23) Ota tsy voasaron’ny vidim-panavotan’i Kristy àry ny atao hoe “ota mahafaty.” Efa zatra manota mantsy ny olona manao azy io, ka tsy te hanova ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany mihitsy izy. Lazain’ny Baiboly koa hoe ‘tsy hahazoana famelan-keloka’ ny fahotana toy izany.—Matio 12:31; Lioka 12:10.

a Mitanisa fahotana lehibe 15 ny Galatianina 5:19-21. Tsy ireo ihany anefa no fahotana lehibe, satria milaza ny Baiboly avy eo hoe “ary ny toy ireo.” Anjaran’ny mpamaky àry ny mamantatra hoe inona koa ny zavatra hafa tsy voatanisa eo, nefa “toy ireo.”

b Amin’ilay fomba fiteny hebreo ao amin’ny Ohabolana 6:16, dia hamafisina ny isa faharoa rehefa ampifanoherina amin’ny isa voalohany. Hita matetika ao amin’ny Baiboly io fomba fiteny io.—Joba 5:19; Ohabolana 6:16; 30:15, 18, 21.