Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Fahoriana Lehibe?

Inona no Atao hoe Fahoriana Lehibe?

Valiny ara-baiboly

 Ny fahoriana lehibe no ho fotoana manjombona indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Efa naminany ny Baiboly hoe amin’ny “andro farany”, na “fotoanan’ny farany” izy io no hitranga. (2 Timoty 3:1; Daniela 12:4) “Fahoriana izay mbola tsy nisy toa azy hatrany am-piandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra ka hatramin’izany fotoana izany, sady tsy hisy intsony” izy io.—Marka 13:19; Daniela 12:1; Matio 24:21, 22.

Zavatra hitranga mandritra ny fahoriana lehibe

  •   Horavana ny fivavahan-diso. Ho haingana be ny handravana ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:1, 5; 18:9, 10, 21) Ireo mpitondra olombelona no handrava azy io, ary misolo tena azy ireo ny Firenena Mikambana. Ny sitrapon’Andriamanitra no hotanterahin’izy ireo amin’izany, raha ny marina.—Apokalypsy 17:3, 15-18. a

  •   Hisy hanafika ny fivavahana marina. Hitady handringana an’ireo manaraka ny fivavahana marina ny firenena maromaro mitambatra, izay antsoina hoe “Goga avy any amin’ny tany Magoga” ao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Hiaro ny mpanompony anefa Andriamanitra ka tsy ho ringana izy ireo.—Ezekiela 38:1, 2, 9-12, 18-23.

  •   Hotsaraina ny mponin’ny tany. Hitsara ny olombelona rehetra i Jesosy ary “hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” (Matio 25:31-33) Hojeren’i Jesosy raha nanohana na tsia an’ireo ‘rahalahiny’, izany hoe ireo hiara-manjaka aminy any an-danitra, ny olona tsirairay. Arakaraka izay no hitsaran’i Jesosy an’ilay olona.—Matio 25:34-46.

  •   Hangonina ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy. Hahavita ny fanompoany eto an-tany ireo olona tsy mivadika nofidina hiara-manjaka amin’i Kristy. Ho faty izy ireo ary avy eo hatsangana ho any an-danitra.—Matio 24:31; 1 Korintianina 15:50-53; 1 Tesalonianina 4:15-17.

  •   Hara-magedona. Antsoina koa hoe “andron’i Jehovah” io “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” io. (Apokalypsy 16:14, 16; Isaia 13:9; 2 Petera 3:12) Horinganina ireo olona homelohin’i Kristy (Zefania 1:18; 2 Tesalonianina 1:6-10), anisan’izany ny fanjakan’olombelona eran-tany, izay oharin’ny Baiboly amin’ny bibidia manana loha fito.—Apokalypsy 19:19-21.

Zavatra hitranga aorian’ny fahoriana lehibe

  •   Hogadraina i Satana sy ny demonia. Hisy anjely mahery iray hanipy an’i Satana sy ny demonia any amin’ny “lavaka mangitsokitsoka.” Hoatran’ny hoe maty izay ao amin’io lavaka io ka tsy afaka manao na inona na inona. (Apokalypsy 20:1-3) Toy ny hoe migadra i Satana amin’izay, ka tsy hanan-kery amin’ny olona.—Apokalypsy 20:7.

  •   Hanomboka ny Fanjakana Arivo Taona. Hanomboka amin’izay ilay fanjakana “arivo taona”, ka hitondra fitahiana be dia be ho an’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 5:9, 10; 20:4, 6) Hisy “vahoaka be” tsy tambo isaina ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe”, ka hahita ny fanombohan’ny Fanjakana Arivo Taona eto an-tany.—Apokalypsy 7:9, 14; Salamo 37:9-11.

a Antsoin’ny Baiboly hoe Babylona Lehibe na “ilay mpivaro-tena lehibe” ny fivavahan-diso, ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 17:1, 5) Fikambanana iraisam-pirenena ilay bibidia mena midorehitra handrava an’i Babylona Lehibe. Ny hampiray saina sy hisolo tena ny firenena rehetra eto an-tany no tanjon’io fikambanana io. Nantsoina hoe Fikambanam-pirenena izy io tamin’ny voalohany, ary antsoina hoe Firenena Mikambana ankehitriny.