Hijery ny anatiny

Inona no Dikan’ireo Tarehimarika ao Amin’ny Baiboly?

Inona no Dikan’ireo Tarehimarika ao Amin’ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Matetika no azo raisina ara-bakiteny ny tarehimarika, ao amin’ny Baiboly. Misy heviny an’ohatra koa anefa izy ireny indraindray, ary ny teny manodidina no mamaritra an’izany. Ireto misy tarehimarika manana heviny an’ohatra:

  •   1 Midika firaisan-tsaina izy io. Nivavaka tamin’Andriamanitra momba ny mpanara-dia azy, ohatra, i Jesosy hoe: “Mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao.”—Jaona 17:21; Matio 19:6.

  •   2 Ilaina ny vavolombelona roa rehefa misy raharaham-pitsarana, mba hanamarina fa nitranga tokoa ny zavatra iray. (Deoteronomia 17:6) Azo antoka koa hoe marina ny fahitana iray rehefa miverina indroa. Izao, ohatra, no nolazain’i Josefa, rehefa nanazava ny nofin’i Faraon’i Ejipta izy: “Naverina indroa tamin’i Farao ilay nofy, satria nataon’Andriamanitra mafy orina izany.” (Genesisy 41:32) Manondro firenena matanjaka roa ny “tandroka roa” tao amin’ny faminanian’i Daniela, dia ny Fanjakana Medianina-Persianina.—Daniela 8:20, 21; Apokalypsy 13:11.

  •   3 Afaka manamafy ny vavolombelona telo fa marina ny zavatra iray. Manamafy hevitra iray koa ny famerenana azy intelo.—Ezekiela 21:27; Asan’ny Apostoly 10:9-16; Apokalypsy 4:8; 8:13.

  •   4 Manondro fahafenoana eo amin’ny endrika na asa iray io isa io, toy ny hita amin’ilay hoe “vazan-tany efatra.”Apokalypsy 7:1; 21:16; Isaia 11:12.

  •   6 Latsaka iray amin’ny isa fito izy io, ary matetika no midika tsy fahafenoana na tsy fahalavorariana na ampifandraisina amin’ny fahavalon’Andriamanitra.—1 Tantara 20:6; Daniela 3:1; Apokalypsy 13:18.

  •   7 Matetika io isa io no ampiasaina mba hilazana fahafenoana. Nasain’Andriamanitra nanodidina an’i Jeriko nandritra ny fito andro nisesy, ohatra, ny Israelita, ary nasaina nanodidina azy io impito tamin’ny andro fahafito. (Josoa 6:15) Imbetsaka ny Baiboly no mampiasa ny isa fito toy izany. (Levitikosy 4:6; 25:8; 26:18; Salamo 119:164; Apokalypsy 1:20; 13:1; 17:10) Nilaza tamin’i Petera i Jesosy hoe tsy “hatramin’ny impito” izy no tokony hamela ny rahalahiny, “fa hatramin’ny impito amby fitopolo.” Naverina ilay isa “fito” mba hilazana fa tsy misy fetrany ny famelan-keloka.—Matio 18:21, 22.

  •   10 Entina ilazana zavatra amin’ny fitambarany io isa io.—Eksodosy 34:28; Lioka 19:13; Apokalypsy 2:10.

  •   12 Toa manondro fahafenoana amin’ny fandaharan’Andriamanitra io isa io. Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana, ohatra, ny tanàna iray any an-danitra, izay “nisy vato fototra roa ambin’ny folo, ... nisy anarana roa ambin’ny folo, dia ny anaran’ny apostoly roa ambin’ny folo.” (Apokalypsy 21:14; Genesisy 49:28) Mitovy dika amin’izany koa ireo isa azo zaraina 12.—Apokalypsy 4:4; 7:4-8.

  •   40 Nampiasaina tamin’ny fampiharana didim-pitsarana na sazy ny isa 40.—Genesisy 7:4; Ezekiela 29:11, 12.

Ahoana anefa ny amin’ny fandinihana ny hevitra fonosin’ny tarehimarika?

 Ny hevitra an’ohatra an’ireo tarehimarika no resahin’ny Baiboly. Tsy mitovy amin’izany mihitsy anefa ny fandinihana ny hevitra fonosin’ireo tarehimarika sy ny tontaliny, satria mifandray amin’ny asan’ny maizina. Mamakafaka ny Soratra Hebreo, ohatra, ny Jiosy sasany. Ampifandraisiny amin’ny tarehimarika ny litera tsirairay, ary ampiasainy izany mba hitadiavana ny hevitra fonosin’ireo teny. Anisan’ny fanandroana ny fandinihana ny hevitra fonosin’ny tarehimarika, ary melohin’Andriamanitra izany.—Deoteronomia 18:10-12.